Fandraisana
Tonga soa eto amin'ny Tafo Bordeaux


VA2F : Cellule Ados


Manasa ny tanora rehetra hanatrika ny cellule de prière Ados ny alarobia 17 aprily manomboka amin' ny 10h maraina ka hatramin'ny 16h tolak'andro.


Izay hatao ao @ tokatranon' ny fianakaviana :

RASAMIMANANA Tantely sy Misa

66 rue Jeanne Faillant

33370 Salleboeuf


Fandehanana any:

Bus transgironde 407

Arrêt: aire de covoiturage Salleboeuf


Manasa ny ankizy hitondra ny goûter hifampizarana ny hariva.


Ny fiadanan' ny Tompo ho amintsika rehetra.



TILY LAMAKO : Vaovao samihafa


Vaovao tily avy eto an toerana :

Ny sabotsy 20 sy ny alahady 21 aprily izao no hanaovana ny lasy tselatra Tily lamako Bordeaux,  izay hatao any Antagnac.


Vaovao tily Nasionaly: 

Misokatra ny fisoratana anarana amin'ny Lasin-jobily izay hatao ny 15 hatramin'ny 21 jolay izao.


Vita soa aman-tsara ny sabotsy 06 aprily ny fanavaozana ny komity nationaly mandritra ny 2 taona ho avy 2024-2026.


Ny andinindininy bomba ireo vaovao ireo dia hitanao ETO.



VEHIVAVY KRISTIANA : Vaovao samihafa


- Mitohy ny famerenana isaky ny sabotsy maraina ho an’ny fanomanana ny takariva SVK atao ny 25 may 2024.

- Ny sampana Vehivavy Kristiana sy ny Sampana lehilahy Kristiana dia manomana fiofanana ho an’ny mpifankatia sy ny mpivady ny sabotsy 4 may 2024 izay entin’ny mpitandrina Synodaly Pst Seth RASOLONDRAIBE, manomboka amin’ny 17h-20h.

- Manentana antsika mpikambana hanampy amin’ny fikarakarana ny ZAIKABE FATSAN izay atao eto amintsika ny 13-14 aprily ho avy izao.



ANTOKO MPIHIRA : ChoeurUni 2024 


« Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony. »

I Tantara 16, 9


Mitohy ny fisoratana anarana amin'ny CHOEURUNI 2024 izay ho atao any VILLE-MUR-SUR-TARN (faritra Toulouse) ny 9-12 may 2024 .





FOTOAM-BAVAKA ISAN-TOKATRANO : isaky ny talata - 20:00


"La compassion de Jésus est-elle limitée?" (Matthieu 20.29-34)

Faly miarahaba anao ao amin'i Tompo,

manasa anao indray izahay anio alina amin'ny fiarahana mivavaka sy ny fifampizarana ny teny hita ao amin'ny Filazantsara araka an'i Matio.

Betsaka ny vahoaka nanaraka an'i Jesoa fa jamba roa lahy ihany no nangataka ny famindrampony ka dia nositraniny. Lazao ny dingana nolalovan'izy ireo ka nahatonga ny masony nahiratra ? Voajanahary ao amin'ny olona ve ny fananany fo onena ny hafa?

La foule s'est mise à suivre Jésus mais deux aveugles seulement Lui ont imploré sa compassion et le Seigneur les a guéri. Quels sont les étapes qu'ils ont franchis pour que leurs yeux parviennent à s'ouvrir? Avoir un coeur ému de compassion est-il naturel chez l'humain?

Aoka samy hitondra amim-bavaka ny fiomanana sy ny fanatanterahana izany isika eo ambany fitarihan'ny fanahy Masina.

Momba antsika ny Tompo koa dia mahereza daholo!


Tél : 0159423047

Code : 873182 #



Departemantan'ny Fampianarana : isaky ny alarobia amin'ny 8 ora alina  


Fampianarana isaky ny alarobia hariva : 

Mpampianatra :Pasitera Elysée ANDRIAMIANDRA
Lohahevitra :

"L'Eglise, lieu pour rassembler et garder les appelés" 

Ho an'ny teny malagasy :

- tél : 0170372246

- code : 945 2227 5371 # 

Ho an'ny teny frantsay :

- tél : 0170372246

- code : 966 6579 5949# 


support 


Diary volana aprilyFizarana Teny sy Vavaka




RAKITRA SY ADIDY :


Azo atao tsara ny manao rakitra sy mandoa ny adidy araka ireto fomba ireto :

1- Chèque :

2- Virement :

à l'ordre de "FPMA Bordeaux" ary alefa amin'izao adiresy izao :

Atoa RAVALISON Haja

54 rue Gaston de Foix

33260 LA TESTE DE BUCH

Titulaire compte : FPMA Bordeaux

IBAN : FR15 2004 1010 0105 8250 8E02 234

BIC : PSSTFRPPBOR

Message : RAKITRA na ADIDY XXXXXXX (apetraho eo ny anaranao)





alt

alt


hafatra pastoraly





Fiofanana SAP

(FPMA Foibe)

isaky ny alarobia

20h00-21h00






 
 

Aza hadinoina

Ny fanompoam-pivavahana :

Alahady amin'ny 3 ora sy sasany hariva

Temple du Hâ - 32 rue du Cdt Arnould - 33000 Bordeaux


Perikopa :

Asa 4.8-12

1 Jaona 3.1-2

Jaona 10.11-18



Vaovao samihafa

Ankasoavana
Ankaratsiana

Ny fotoana manaraka ...



talata 16 aprily :
20h : CDF (confcall)


alarobia 17 aprily :
20h : Dpt Fampianarana (concall)


alakamisy 18 aprily :
19h : AM - famerenan-kira (s. Calvin)


sabotsy 20 aprily :
Tily - lasy tselatra (Antagnac)
10h : SVK - famerenan-kira (tokantrano)
10h : STK - fivoriana (s. Calvin)
16h : AM - famerenan-kira (s. Calvin)


alahady 21 aprily :
Tily - lasy tselatra (Antagnac)
15h30 : Fanompoam-pivavahana
Fanasan'ny Tompo