Fandraisana


 FANDALINAM-PINOANA


LOHA-HEVITRA : JESOA KRISTY

Atolotra ho antsika izao fampianaram-pinoana momba an’i Jesoa Kristy izao satria mifanandrify tsara amin’ny andro Noely (Krismasy) izay ankalazantsika ny fahatongavany (nahaterahany). Iza moa Jesoa, ary maninona Izy no antsoina hoe « Kristy » ? Midika inona amin’ny Fiangonana izany ?

VOAMBOLANA

« Jesoa » (« Jezo » nalaina tamin’ny teny frantsay, « Jesosy » kosa tamin’ny teny anglisy, « Iesous » amin’ny teny grika) dia avy amin’ny teny hebreo, izay niantsoana azy rahateo, hoe « Ieshoua », raha adika, « Andriamanitra Mpamonjy » (Matio 1,21). Mamonjy ny olona rehetra ho afaka amin’ny fahotana izay mangeja azy ireo i Jesoa.

  • « Kristy » dia avy amin’ny teny grika hoe « Kristos » izay midika hoe « voahosotra » (Mesia, « Mashiah » amin’ny teny hebreo nanoratana ny Testamenta Taloha). Milaza fanokanana ilay olom-boahosotra ho amin’ny asa nanendren’Andriamanitra azy izany. Ny asan’ny Mpanjaka sy ny Mpisorona ary ny Mpaminany dia samy asa mesianika avokoa satria asan’Andriamanitra no raisiny rehefa nahazo ny hosotro avy Aminy izy ireo (Eksodosy 29,7 ; Deotoronomia 18,15). Antsoina hoe, Kristy, i Jesoa satria voahosotr’Andriamanitra hanaisotra ny fahotan’ny olombelona rehetra Izy (Jaona 1,29).

NY AMBARAN’NY TESTAMENTA TALOHA MOMBA AZY

  • Aloka (tandindona) ny zavatra ho avy ny ao amin’ny Testamenta Taloha momba ny filazana ny amin’i Jesoa Kristy. Ny fahatongavan’i Jesoa no nahatanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra hita tao amin’ny Testamenta Taloha. Rehefa tafasaraka tamin’Andriamanitra ny olombelona noho ny ota (tsy fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra) dia nanaovan’ny Tompo « akanjo hoditra » izy ireo hanaronana ny fitanjahany (Genesisy 3,21). Nisy sorona natao araka izany mba hampihavanana ny olona mpanota amin’Andriamanitra. Efa filazana sahady an’i Jesoa natao sorona noho ny fahotantsika izany ka tsy maintsy itafiana mba tsy hiharan’ny fanamelohana noho ny ota isika (Romana 8,1 / 13,14)

  • Indro ny fampitahana izay voalaza tao amin’ny Testamenta Taloha ary tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy

 

Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

 

Fahaterahany

Isaia 7,14 / 9, 1-6

Matio 1, 22-23

 

Fijaliany

Isaia 53

Matio 26 sy 27 / Lioka 22,37

 

Fitsanganany

Salamo 16,

Matio 28, 1-7

 

Fiakarany

8-11

Asa 1, 9-11

 

Fampanantenany

(Ny Fanahy Masina)

Joela 3, 1-5

Asa 2, 1-4

 

 

NY AMBARAN’NY FILAZANTSARA MOMBA AZY

Tonga olombelona tahaka antsika, Andriamanitra, tamin’ny nahatongavan’i Jesoa Kristy tety an-tany (Jaona 1,1-3). Sady tena olombelona izy satria natera-behivavy (Lioka 1,31), no tena Andriamanitra satria manana ny fomban’Andriamanitra sy miteny araka an’Andriamanitra : « lazaiko aminareo marina dia marina tokoa… Izaho no… » (« Je Suis » no nahazoana ny teny IHVH, Eksodosy 3,14). Nitory ny Fanjakan’Andriamanitra ao Aminy i Jesoa Kristy ka ny fandroahana ny fanahy ratsy no marika hamantarana ny fahatanterahan’izany (Matio 12,28). Nambara tamin’ireo Filazantsara efatra ny fijaliany sy ny fahafatesany izay nitondrany ny fahotan’ny olona. Lalana tsy maintsy tanterahan’ny Mesia izany (Matio 16,21). Ny fitsanganany tamin’ny maty no nanaporofo ny maha Andriamanitra tompon’ny aina Azy (Jaona 10,18). Nambaran’ny apostoly fa Tompo sy Andriamanitra Izy (Jaona 20,28). Niakatra ho any an-danitra Izy amin’ny maha Andriamanitra Azy ary hiverina indray mba handray ny olony ho amin’ny Fanjakany mandrakizay.

 

NY AMBARAN’NY EPISTILY MOMBA AZY

Tonga fanekem-pinoan’ny Fiangonana voalohany ny fanambarana an’i Jesoa Kristy ho Andriamanitra (Efesiana 1,3-14 / Kolosiana 1,12-20). Ary amin’ny anarany no andolehan’ny lohalika rehetra na ny any an-danitra na ny eto an-tany (Filipiana 2,10). Hiverina amin’ny voninahiny tokoa ny Tompo ka tsy maintsy mijoro vavolombelona amin’ny teny sy ny asa ny mino Azy rehetra eo am-piandrasana izany. Antony nanokanan’ny Fiangonana aty aoriana ny alahady efatra mialoha ny Krismasy ho  « advento » izany. Maneho fotoam-piambenana amin’ny fiverenan’ny Tompo izay tsy ampoizina ny fiaviany.

NOELY na KRISMASY

  • Jesoa Kristy fahazavan’izao tontolo izao

Nanambara ny tenany ho Andriamanitra i Jesoa Kristy ka nohamafisiny tsara ny maha « fahazavan’izao tontolo izao » Azy (Jaona 8,12). Mampatsiaro ny famoronan’Andriamanitra izao tontolo izao izany, izay nampisy ny « mazava » ho fanombohan’ny zavatra rehetra. Nilaza rahateo Izy fa handeha amin’ny fahazavan’aina izay manaraka Azy. Koa tsy ny hazavana rehetra eto amin’izao tontolo izao araka izany no mitondra aina satria Izy irery ihany no afaka manome izany.

  • Fitoriana an’i Kristy ho hany fahazavana ho an’ny olona rehetra ny 25 desambra

tany am-piandohana dia fetin’ny tontolo tandrefana ny Noely (teny frantsay) na ny Krismasy (teny anglisy) ho fankalazana ny nahaterahan’i Jesoa.

Teo amin’ny fiandohan’ny ririnina no nanaovana izany satria io no fotoana niandrandràna ny masoandro manoloana ny hatsiaka manjo ny zavabohary rehetra sy ny alina mahazo vahana be noho ny andro. Nisy tamin’izany ny fivavahana tamin’ny masoandro, ny fahaterahany (« sol invictus » ho an’ny Romana, « mithra » ho an’ny Persiana).

Isika malagasy moa dia ny masoandro no nivavahan’ny Ntaolo raha milaza fa « andriamanitra an-tampon’ny loha » (andriamanitra andriananahary dia niainga avy amin’ny masoandro be nanahary araka ny fitenin-drazana). Maro ny firenena izay manamasina ny « andriamanitra masoandro » araka izany (« râ » ho an’ny Egyptiana, « helios » ho an’ny grika, « uitzilopochtili » ho an’ny azteka, « bela pennu » ny an’ny indiana…).

Ho fitoriana an’i Jesoa Kristy izay « Fahazavana mitondra aina », tonga tety an-tany, ho an’izao tontolo izao no nanambarana ireo fetin’ny fiarahamonina teo aloha ireo ho fety tokana dia ny Noely na Krismasy. Ny Rain’ny Fiangonana, antsoina hoe, Hippolyte avy any Roma, no nanolotra io datin’ny 25 desambra io tamin’ny taonjato fahatelo.

JESOA KRISTY SY NY FIANGONANA

  • Mampisy ny Fiangonana izy

Fahazavana ho an’izao tontolo izao i Jesoa Kristy ka rehefa niala tety an-tany Izy ho any amin’ny voninahiny dia nanorina ny Fiangonana mba hanohy izay efa natombony. « Eo ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny Fiangonako ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy », hoy Izy (Matio 16,18), ary « ianareo no fahazavan’izao tontolo izao…tsy azo afenina » (Matio 5,14). Moa tsy fetin’ny Fiangonana araka izany ny Noely na Krismasy satria « fahazavan’izao tontolo izao » izy ? Moa tsy fanomezan’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao ny Fiangonana ? Tokony hosaintsaininy tsara araka izany ny niantsoan’i Tompo ny Fiangonany ?

  • Miahy sy mamelona ny Fiangonana Izy

Tsy mandeha irery ny Fiangonana raha miseho ho fahazavana eo amin’izay misy azy izy satria momba azy mandrakariva ny Tompo (Matio 28,20). Tsy mahay manazava tena anefa izy fa mandray ny hazavana avy amin’i Tompo kosa (Jaona 15,5-7 / 6,56). « Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha toy izao ahy, ary tsy foana izany fahasoavany izany ato amiko » (1 Korintiana 15,10).

 

  • Miaro ny fiombonan’ny fiangonana Izy

Mahasarika ny ety ivelany ny hazavana ka mahatonga ny fanatonan’ny maro azy. Mahasarotiny an’i Jesoa Kristy ny firaisan’ny Fiangonana satria vavolombelony ety an-tany, ka dia nivavaka ho azy ireo hatrany Izy : « mba ho iray ihany izy rehetra » (Jaona 17,21). Mahatafintohina ny tsy mino ny fisaratsarahana misy eo amin’ny fiangonana. Izany no anton’ny ezaka ho fiaraha-miasa amin’ireo fiangonana samihafa izay atao eo amin’ny sehatra ekiomenika sy ny hafa koa. Tokony hazoto hihevitra sy hitana ny firaisana mandrakariva ny Fiangonana rehetra araka izany (Efesiana 4,3).

  • Manohy ny asam-pamonjena nataon’i Jesoa Kristy ny Fiangonana

Fahazavana mitondra aina ny hazavana nentin’i Jesoa Kristy ka nampitainy tamin’ny Fiangonana. Ny toriteny sy ny fampianarana dia manome herim-panahy ho an’izay mandray tsara ny teny ka miredareda ao am-pony ny afom-panahy manesika azy hiasa ho an’Andriamanitra (Asa 2,40-47). Matsilo ny hazavan’ny Tompo ka mahatratra ny olona rehetra fa indrindra ireo madinika sy sahirana ary voahilikiliky ny fiarahamonina (Matio 25,40-45).

JESOA KRISTY SY NY FIAINAM-BAOVAO

  • Nateraky indray izay mino Azy

Avy any an-danitra ny fahazavana ho an’izao tontolo izao. Koa, izay rehetra manatona izany ka hitondra ny fahazavana ao aminy dia tsy maintsy ateraka avy any an-danitra ihany koa izy (Jaona 1,13 : « tsy nateraky ny nofo aman-dra »). Ny hazavana raisina dia mandroaka ny asan’ny maizina ao amin’ny olona ka mahatonga azy hibebaka sy hifona noho ny fahotany.

Ny batisa (« asitrika anaty rano » no heviny amin’ny teny grika) raisin’ny mino dia misy heviny anankiroa ho mariky ny fahaterahany indray. Ny voalohany dia ny finoana ny fandevenana ny maha-olona mpanota azy niaraka tamin’ny Tompo. Ny faharoa kosa dia ny fitsanganan’ny olona vaovao noho ny asan’ny Fanahy Masina tahaka ny nitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty (Kolosiana 2,12 / Romana 8,11). Fahateraham-baovao ho an’ny rehetra izay mino ny Krismasy satria teraka ao am-pony indray i Jesoa Kristy ho amin’ny fiainam-baovao (2 Korintiana 5,17 / Galatiana 2,20).

  • Mitombo amin’ny fahafenoan’ny Fanahy rehetra ny mino

Rehefa teraka dia mandalo amin’ny fitomboana raha tsy izany dia maty na sampona (ohatra, Lioka 2,52). Raha ny zavabohary aza no miaina izany koa mainka moa fa ny zava-panahy ? Mila arovana sy ampitomboina àry ny finoan’ny mino satria io no hazavana hamantarana azy (Lioka 18,8). Mitaky toetra tia mivavaka avy amin’ny mino anefa izany. Manampy azy amin’izany ny Fanahin’i Kristy ka hananany faharetany tokoa ho vavolombelon’i Tompo (Romana 8,26 / Kolosiana 1,9).

  • Miaina ny fahamasinana ny mino

Ny hazavan’i Tompo dia masina tokoa. Misy heviny anankiroa ny hoe « masina ». Ny voalohany dia maneho ny toetran’Andriamanitra miavaka amin’izao tontolo izao. Ny faharoa kosa dia manondro asa manokana ho an’ilay zavatra na ilay olona izay mitondra izany fahamasinana izany. Tsy masina ho azy amin’ny tenany samirery àry ny mino fa mandray izany fahamasinana izany avy amin’i Jesoa Kristy izay miantso azy ho « fahazavan’izao tontolo izao » izy (Jaona 15,16). Ny Tenin’Andriamanitra vakiany sy torina aminy no manadio sy manamasina ny mino ka hamantarany ny antson’i Jesoa Kristy ho azy isanandro isanandro (Jaona 15,3 / 17,7). Ary satria voatokana ny mino dia tsy maintsy mihataka sy mandao ny asan’ny maizina rehetra izay mety hamono ny hazavany izy (Efesiana 5,1-18).

  • Mijoro vavolombelona amin’ny teny sy ny asa ny mino

Tsy azo afenina na takonana ny hazavàn’i Kristy ao amin’ny mino, hoy isika teo aloha. Koa izany indrindra no tsy maintsy isehoantsika sy ijoroantsika izay manana ny mazava (2 Timoty 1,8). Mila miteny izy araka izany ka tsy ny teniny no lazainy fa izay nambaran’i Tompo azy ihany (ny Tenin’Andriamanitra, Lioka 12,11-12). Ny vavolombelona dia milaza izay hitany sy reny fa tsy mamorona akory ndrao mandainga (1 Jaona 1,1). Toy izany ihany koa ny asan’ny mino dia manahaka izay notanterahan’i Tompo (Jaona 14,12). Koa, « sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny marary hoditra, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana » (Matio 10,8). Moa tsy fanomezana sarobidy andrasan’ny fiarahamonina amin’ny Fiangonana izany amin’izao andro Noely izao ?


Lohahevitra: NY FIANGONANA



Lesona 3: Ny fiangonana dia toy ny voaloboka. (sary faharoa)

Vakio: Jaona 15: 1;5-16

1-       Ny fiangonana no voaloboka

2-       Jesosy  no fototra

3-       Ny Mpiangona no sampana

4-       Andriamanitra no Mpamboatra

5-       Ny Fitiavana no tsimoka


Lesona  2 : Ny fiangonana, tranon'Andriamanitra naorina teo ambonin'ny vatolampy. (sary voalohany)

 Vakio Matio 16.13-18

Ny fiangonana dia: 

- Naorin'i Jesosy teo ambonin'ny "vatolampy = Petera" 

- Ireo olona voantson'Andriamanitra hitory ny teniny ( vakio Matio 28:19-20).

- Sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra (vakio IKort 3.9).

- Isika izay tranon'Andriamanitra tapahan'i ''Kristy = Ny Zanaka" ( vakio Hebreo: 3.6).

- Isika  voafidin'Andriamanitra izay toa ny vato velona ho trano fanahy (vakio IPet2.5).


Lesona  1: Ny niatombohan'ny fiangonana

Vakio: Asan'ny Apostoly 2.42

Ny fiangonana dia mila faharetana, fahavarana, fahazotoana, fikirizana.

Misy endrika efatra isehoany:

  1. Ny fampianarana
  2. Ny fiombonana
  3. Ny Famakiana ny mofo
  4. Ny fivavahana



 
 

Aza hadinoina

Ny fanompoam-pivavahana :

Alahady amin'ny 3 ora sy sasany hariva

Temple du Hâ - 32 rue du Cdt Arnould - 33000 Bordeaux


Perikopa :

Asa 4.8-12

1 Jaona 3.1-2

Jaona 10.11-18



Vaovao samihafa

Ankasoavana
Ankaratsiana

Ny fotoana manaraka ...



talata 16 aprily :
20h : CDF (confcall)


alarobia 17 aprily :
20h : Dpt Fampianarana (concall)


alakamisy 18 aprily :
19h : AM - famerenan-kira (s. Calvin)


sabotsy 20 aprily :
Tily - lasy tselatra (Antagnac)
10h : SVK - famerenan-kira (tokantrano)
10h : STK - fivoriana (s. Calvin)
16h : AM - famerenan-kira (s. Calvin)


alahady 21 aprily :
Tily - lasy tselatra (Antagnac)
15h30 : Fanompoam-pivavahana
Fanasan'ny Tompo