
Vaovao VFF :Miarahaba
ny mpianakavin’ny finoana ao amin’ny Tompo,
Lohahevitra
FLH 26 aprily 2019 : "Peut
on perdre la foi ?", “Mety
ho very ve ny finoana ?”
Maro
amintsika no manontany tena hoe mbola manana finoana ve aho ?
Mangataka
mafy amin'Andriamanitra ny ihazonaNy antsika satria mahatsapa isika
fa mangozohozo ny finoantsika.
Iarahantsika
mahalala fa misy fotoana tena mafy be ny manaraka ny Tompo. Mafy
loatra manko ireo zava-mitranga maro samihafa misy eo amin'ny
fiangonana, ... , eo amin'ny fiainantsika an-davan'andro
(aretina, fahoriana, fitsapàna ... na fifaliana be loatra koa aza e
...) ary maro amintsika na ireo olona manodidina antsika, no
manontany tena hoe : "tsy haiko raha mbola manana finoana aho !" Indrisy...
Mety
ho very tokoa ve ny finoana ananantsika ?
Tongava
maro ry havana fa manan-kambara amintsika ny Tompo.
Manome
fotoana anao ary hanatrika ny FLH izay hatao ny zoma 26 aprily
manomboka amin'ny 8 ora alina ato amin'ny temple du Hâ, iarahantsika
amin’ny pasitera Fafà sy ny mpiara-miasa aminy Fanantenana.
Voninahitra
ho an’Andriamanitra irery ihany ary ho amintsika kosa ny fiadanaNy.

Alahady 31 martsa 2019 : vaovao VFTM
"Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo, hoy izaho indray : Mifalia.”
Filip 4.4
Faly
miarahaba ny ray aman-dreny sy ny mpianatra teny malagasy ao amin’ny
Tompo,
Toy
ny fanaontsika isan-taona dia amin’ny sabotsy 06 aprily no hanao ny
fitsangatsanganana arahana kilalao malagasy isika miaraka
amin’ny STK .
Ny
toerana :
Parc
Bordelais, rue du Bocage, 33000 Bordeaux.
Ora
fahatongavana : 9 ora sy sasany maraina
Firavàna :
3 ora tolakandro
Ny
zavatra entina : pic nique sakafo atoandro.
Vato
kely anaovana ara-dimy, pala ho an’izay afaka mitondra ary
akanjo mifanaraka amin’ny toetr’andro.
Manantena
antsika ray aman-dreny hitondra maro ny zanantsika.
Alahady 17 martsa 2019 : vaovao VFF
Miarahaba
ny mpianakavin’ny finoana ao amin’ny Tompo,
Na
ankizy ianao na tanora, na efa manambady na tsia, na efa manan-janaka na tsia,
Dia asaina ho tonga hanatrika ny FLH
manaraka,
izay
hatao ny zoma 29 martsa 2019 manomboka amin’ny 8 ora hatramin’ny
9 ora sy sasany alina ao amin’ny Temple du Hâ, salle 1, fa ho anao, ho ahy, ho
antsika rehetra ny lohahevitra ho dinihina amin'izany, izay
iarahantsika amin’ny Pasitera Fafa sy ny mpiara-miasa aminy Fanantenana.
Izany dia mikasika
indrindra ny “ NY FIANAKAVIANA KRISTIANA “.
Un jour, un père de famille a dit : "aucune famille chrétienne ne
peut se vanter d'être un
parfait modèle de piété ou d'engagement".
Nous admettons tous l'existence d'un fossé entre l'idéal d'une vie de famille engagée en
Christ et la réalité d'une vie de famille.
Quand Josué a dit : "Moi et ma famille, nous
servirons l'Eternel", il semblerait que notre choix est primordial pour déterminer l'authenticité de notre démarche et cheminement
avec le Seigneur.
Venons tous ensemble réfléchir sur la famille chrétienne à l'instar de
Josué, le précurseur d'une démarche sincère et déterminée en
Dieu.
Venons tous, tels que nous sommes, avec nos convictions et nos
hésitations, avec notre famille, nos amis, nous tous qui formons une
grande famille en Christ,au FLH du vendredi 29 mars 2019, à partir de
20h, qui aura pour thème : "La Famille
Chrétienne ou la Famille en Christ".
A
Dieu seul soit la gloire !
Alahady 17 martsa 2019 : vaovao VFTM
Faly
miarahaba antsika mpianakavin’ny finoana,
Amin'ny sabotsy 30 martsa 2019 ny fampianarana ny teny malagasy manaraka, izay atao
any amin'ny SILOE, eo akaikin’ny Temple EPUF, 283 rue
Frédéric Sévène, 33400 Talence, manomboka amin'ny 2 ora ka
hatramin'ny 3 ora sy sasany tolakandro toy ny mahazatra.
Misaotra
mandrakariva ny ray aman-dreny miezaka mitondra ireo zanantsika na
dia niova aza ny toerana.
An’
Andriamanitra irery ny voninahitra.
Alahady 17 febroary 2019 :
“Mifalia
mandrakariva ao amin’ny Tompo, hoy izaho indray mifalia” Filip
4/4
Isaorantsika
ny Tompo fa noho ny fahasoavaNy dia tanteraka soa aman-tsara omaly
sabotsy 16 febroary ny fiarahantsika mifaly tamin’ny alalan’ny
atrik’asa mozika izay nokarakaraina niaraka tamin’ny Sampana
Antoko Mpihira.
Misaotra
indrindra ny fianakaviana John sy Maherizo ary Henika FASINA
nandray antsika tam-pitiavana.
Misaotra ny Sampana Antoko Mpihira,
misaotra ireo mpampianatra sy ny mpianatra ary ny ray
aman-dreny tamin’ny fiaraha-mientana. Tsapa tokoa fa tamin'ny fo
feno fifaliana no nandraisantsika rehetra anjara tamin’izany.
Voninahitra
ho an’Andriamanitra irery ihany ary ho amintsika kosa ny fiadanaNy.
Que ceux qui ont du talent partagent à ceux qui en ont moins.
Dans la joie et la bonne humeur.
En fin de séance nous partagerons un goûter tiré du sac.
Que Dieu vous bénisse tous.