
Ny
fianakaviana :
Marc
sy Suzy ANDRIANJAKA
Nambinina
sy Eulalie RASOAMANANA
Mbola
sy Sylvie RASOAMANANA
dia
namoy ny mpiray tampoa aminy
Delphin
Johnny RAKOTOARIVELO
rain' i
Alex RAKOTOARIVELO
tany
Madagasikara ny sabotsy 12 desambra.
Ny
famangian'ny fiangonana dia ho lazaina amin'ny manaraka.
Aoka
isika samy ahatsiaro ambavaka ny fianakaviana.



Amin’ny
finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin’ny maty no ampandrenesinay
anareo fa ny havana malalanay ANDRIAMBOLOLONA Germain Clarisse
Loholona FPMA Toulouse
dia
nantsoin'ny Ray hody any Aminy ny zoma 2 oktobra 2020 teo amin'ny faha-80
taonany
Hoy ny
vadiny RASOARAHONA Danielle Julia sy ny fianakaviana manontolo ary ny FPMA Tafo Toulouse
Ry havana,
Ny namantsika Tantely sy Dina RANDRIANARIMANANA dia namoy ny reniny :
Ramatoa RAKOTOMANANTSOA Odette, Mpiandry - Loholona
any Madagasikara tamin'ny sabotsy 19 septambra 2020.
Ny fandevenana dia ho tanterahana ny zoma 25 septambra 2020.
Ny famangiantsika FPMA Bordeaux kosa dia hatao amin' ny alahady 4 oktobra aorian'ny fanompoam-pivavahana faharoa.
Ny Tompo hanome fiononana ireo havantsika mana-manjo.
Ry havana,
Ny namantsika RAVELOMANANTSOA Andoniaina mianakavy dia mampandre antsika ny namoizany ny rainy:
RAVELOMANANTSOA Andrianantenaina Benjamin (Loholona)
any an-tanindrazana, tamin'ny talata 1 septambra 2020.
Ny famangiantsika FPMA Bordeaux dia ho tanterahana eny am-piangonana amin'ny alahady 27 septambra aorian'ny fanompoam-pivavahana faharoa.
Ny Tompo hampionona ireo havantsika mana-manjo ary aoka isika hifampitondra am-bavaka.
"Sambatra ny maty dia izay maty ao amin'i Tompo hatramin'izao. Eny, hoy
ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka
azy."
Amin'ny finoana ny fitsanganan'ny tena amin'ny
maty no hampandrenesan'i RAZAFINDRAMANITRA Rivo sy Lanto sy ny fianakaviana manontoloa antsika ny fodiamandrin'ny rahavavy iray tampoho
aminay, any an-tanindrazana:
ANDRIANALISON Harivola,
tamin'ny alatsinainy 3 jolay 2020.
Ry havana,
Ny havantsika ao amin'ny ACMA, Ingahy RAKOTOMIAMPITA Joseph sy Ramatoa PERRIER Brigitte dia namoy ny zanany:
DEJEANS Aline.
Hisy
fanompoam-pivavahana hatao amin'ny alarobia 5 août 2020 manomboka
amin'ny 10 ora sy sasany tsy diso, ao amin'ny Eglise Saint Jean Marie
Vianney - 23, rue Félix Faure - 33600 PESSAC.
Aorian'izany dia ho entina halevina eny Pessac Toctoucau ny razana.
Araka
ny fangatahan'ny fianakaviana, ny famangiantsika FPMA dia hatao eny
an-tokantrano aorian'ny fandevenana, izany hoe any amin'ny 1 ora
antoandro any ho any. Ny adiresy dia: 31, rue Bellevue - 33600 Pessac.
Mangataka antsika hitondra am-bavaka ireo havantsika mana-manjo.


Noho
ny fihavanana, Ranary sy Janine RAMONJISON dia mampandre fa namoy ny
rahalahiny :
RAMONJISON Benjamin ny alakamisy 25 jona 2020 tany
an-tanindrazana.
Ny
fandevenana dia efa natao io andro io ihany. Ny
Tompo hitondra fampihononana ireo havantsika mana-manjo.
Aoka
isika mba hitondra am-bavaka azy ireo.

"Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko mba hahavita
ny alehako, dia ny. hanambara ny Filazantsara."(Asa 20:24)
(Teny faneva tamin’ny fankalazana ny faha 20
taona nitandreman’ Pasteur RANDRIAMANANTSOA Zozo ary ny faha 10 taona
nitandremany tao amin’ny Tafo Nice.)
Amin'ny finoana sy ny
fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesan’ny
fianakaviana sy ny mpianakavin’ny Finoana ao amin’ny Fpma-Nice antsika vahoakan’ny FPMA fa nantsoin’ny Ray
hody any aminy androany 24 mai ny
Mpanompony
Pasteur RANDRIAMANANTSOA Zozo
Marihina fa androany 24 mai koa no daty nahaterahan’i
Pasteur Zozo Randriamanantsoa
Mbola holazaina amintsika amin’ny fotoana mahamety azy
ny fandaminana .
Eo am-piandrasana izany, izany dia mangataka antsika mba samy hitondra
sy hahatsiaro am-bavaka ny vady aman-janany sy ny fianakaviana manontolo ary ny
Mpianakavin’ny Finoana ao amin’ny tafo Fpma-Nice mba omen’ny Tompo ny Fampiononana Feno avy
amin’ny Fanahy Masina ary mba hamenoinY koa ny banga vokatry ny fisarahana.
Manonona ny Fiadanan’ny Tompo amintsika
Ny birao foibe
FPMA Ry havana,Amin'ny finoana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesana anareo ny fodiamandrin'ny mpanompony:
RAZAKAMAITSO Jacques Mpiandry
tany La réunion, androany alakamisy 30 aprily 2020,
hoy ny vadiny Christiane RAZAKAMAITSO, ny zanaka aman-jafiny ary ny fianakaviana manontolo.
Itompokolahy RAZAKAMAITSO Jacques sy Ramatoa vadiny moa dia mpiara-mivavaka sady samy mpiandry teto amin'ny tafo FPMA Bordeaux mialoha ny nifindràny monina any La Réunion izao.
Ny fikarakarana ny razana sy ny fandevenana dia ho tanterahana any La Réunion avokoa. Ny laharana azontsika hiantsoana sy hifandraisana dia ny 0693473729.
"Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy." Apokalypsy 14: 13

Ny
fianakaviana Louise LEGAI dia namoy ny anadahiny
Parfait
RAVELOJAONA ny zoma 24 janoary 2020 tany Madagasikara. Aoka isika hitondra am-bavaka ny fianakaviana azom-pahoriana.


Amin'alahelo
lehibe no ampandrenesanay anareo rahalahy sy rahavavy ao
amin'ny Tompo, Fiangonana rahavavy, fa : Atoa SAVENER Jean Pierre na
antsoina hoe koa Dadabe vadin'i Rtoa SAVENER Natanielle dia
nantsoin'ny Ray nody any aminy .
Ny
fandevenana dia hatao ny vendredi 31 Janvier.
Ny
famangiantsika fiangonana dia mbola holazaina amin’ny manaraka.





Ry havana,
Ny fianakaviana RAOELISON Serge sy Fanja dia namoy ny reniny any Madagasikara.
Hanainga ho any izy ireo. Ny fandaminana manaraka dia ho lazaina miandalana eo ihany rehefa tafaverina avy any an-tanindrazana ry zareo.
Aoka isika hitondra am-bavaka hatrany ny fianakaviana mana-manjo.
Mme
Agnès RAHARINOSY
M
et Mme Jean Pierre DEROUET
La
Famille JULLIARD
Et
tout le personnel du château MEYREAU
ont
la douleur de vous faire part du décès de
Jean
Claude BERNARD
La
cérémonie religieuse sera célébrée le lundi
1er Juillet à 16h en l'Eglise de Dardenac
suivie de l'inhumation au cimetière de la même commune.
Vous
pouvez lui rendre un dernier hommage à la Chambre Funéraire des
Pompes funèbres Lacombe de Targon.
La
veillée aura lieu à Lacombe de Tagon, le funéranium est à
côté d'un garage.
Ny
famangiantsika fiangonana azy ireo dia ho tanterahina aorian’izao fanompoam-pivavahana
izao.
Aoka
isika hitondra am-bavaka ny fianakaviana mana-manjo.
"Misaora
amin’ny zavatra rehetra, fa izany no Sitrapon’Andriamanitra ao
amin’i Kristy Jesosy ho anareo. " I
Tes 5 :18
Amin’ny
finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny
fiainana mandrakizay no ampandrenesanay anareo fa ny havanay :
RALANTOMANANA
Chazel
dia
nantsoin’ny Ray hody any Aminy ny talata
4 jona 2019 teo amin’ny faha-77
taonany.
Hoy
ny vadiny :
RALANTOMANANA
AUGUSTE Liliane
Ny
zanany :
RAZAFINDRAKOTO
Enintsoa sy Hanitriniala
RALANTOMANANA
Zoniaina sy Mbola
ANDRIAMIHAJA
Mahefanjara sy Miarisoa
RALANTOMANANA
Hasina sy Lalaina
Ny
zafiny :
Anthony,
Hugo, Mirindra, Mihary, Mioty, Mirado, Tsilavo, Tsiorisata, Mianjara,
Tsitohaina, Aroaina
Ny
iray tampo aminy :
Terak’Itpkl
RAMANANTSOA sy Itpkv RAVAOMALALA
Ny
iray tampo amin’ny vadiny :
Terak’Itpkv
AUGUSTE Jacqueline
AUGUSTE
Claudine sy ny zanaka aman-jafiny.
Ny razana dia ao
amin'ny :
Chambre
Funéraire d'Ambarès
91
rue Edmond Faulat
33440
AMBARES et LAGRAVE
Toy
izao ny fandaminana :
Hisy
fiaraha-miombom-bavaka
ny
alarobia
sy
alakamisy
ary
zoma
izay samy manomboka amin'ny 7 ora sy sasany ka hatramin'ny 9 ora sy
sasany alina.
Ny
fiangonana FPMA dia hitsapa alahelo ny
alarobia amin'ny 8 ora alina ary
hanatanteraka ny famangiana
ny zoma
amin'ny 8 ora alina eny AMBARES.
Ny
razana dia hiainga ao amin'ny Chambre Funéraire
d'Ambarès
ny sabotsy 8 jona
ary entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny Temple
du Hâ,
rue
du
Commandant
Arnould, 33000 Bordeaux, amin'ny 10 ora sasany maraina, mialoha ny
handefasana azy any an-tanindrazana.
Aoka
isika samy ahatsiaro
am-bavaka
ny fianakaviana mana-manjo.
Sitrak'Andriamanitra ny niantsoany ny malalany:
NIRINARISOA Julie
ny talata 21 mey 2019 tany an-tanindrazana.
Hoy ny zanany :
- Rabemahafaly Zo
- Rabemahafaly Solofonjatovo mivady sy ny zanany
Ny fanitrihana dia efa notanterahana ny alakamisy 23 mey 2019.
Ny famangian'ny FPMA Bordeaux dia ho lazaina amintsika amin'ny manaraka.
Aoka isika hitondra ambavaka ireo mpiara-miavavaka amintsika nianjadim-pahoriana.
Ry Havana,
Ny fianakaviana RAZAFINDRAHAINGO Alexandre sy Hanitra dia mampandre antsika ny fodiamandrin'ny iray tampo amin izy ireo
RATAHINARISOA Haritiana
tany Madagasikara ny alatsinainy 29 aprily 2019.
Ny fandevenana dia efa notanterahana ny zoma 3 mey 2019.
Isika FPMA Bordeaux dia hanatontosa ny famangiana ny alahady 26 mey 2019 aorian'ny fanompoam-pivavahana eto am-piangonana ihany.
Aoka isika hitondra am-bavaka ny fianakaviana mana-manjo.
AMBONA Jimmy sy ny vady aman-janany,
AMBONA Sébastien,
AMBONA Kevin
dia mampandre antsika ny fodiamandrin'ny rain'izy ireo :
AMBONA René (René Be)
ny talata 12 martsa 2019 teto Bordeaux.
Ny sabotsy 23 martsa izao no hanatanterahana ny fandevenana.
Ny famangiantsika FPMA Bordeaux dia ho atao ny zoma 22 martsa 2019 amin'ny 8 ora alina any an-tranon'ny fianakaviana (4 allée San Marco - 33700 Mérignac).
Aoka isika samy hitondra am-bavaka ny fianakaviana tra-pahoriana.
Atoa TEXIER Patrice dia mampandre antsika fa ny vadiny
RASOAMIARAMANANA Régine
dia nantsoin'ny Ray hody any aminy tamin'ny zoma 1 febroary 2019 tao Blaye.
Hisy fotoam-pivavahana entina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ny zoma 8 febroary 2019 amin'ny 2 ora sasany ao amin'ny Fiangonana Katolika ao Saint André de Cubzac.
Aoka isika hitondra am-bavaka ny fianakaviana nozohim-pahoriana.
RAMAMONJISOA ANDRIAMANOHY Valéry mivady sy ny zanany RAMPANANA ANDRIAMANOHY Pascale mivady sy ny zanany ANDRIAMANOHY Alain sy ny zanany ANDRIAMANOHY Frédéric mivady sy ny zanany
ary ny fianakaviana iray manontolo
dia mampandre antsika fa namohy ny hava-malalany, iray tampo aminy
ANDRIAMANOHY Nicolas
ny talata 29 janoary 2019 teto Bordeaux.
Ny nofony dia ao amin’ny dépositoire CHU Pellegrin
Ny famangiana ny fiangonana dia ho tanterahana ny alahady 3 febroary 2019 manomboka amin’ny 10 ora sy sasany maraina ao amin’ny dépositoire CHU Pellegrin ihany.
Ny fandevenana dia ho tanterahana ny talata 5 febroary 2019 amin’ny 3 ora tolakandro ao amin’ny cimetière nord Bruges
Aoka isika hitrotro am-bavaka ny fianakaviana nidonam-pahoriana .

Ramatoa NARIVELO Lydia
Ny fianakaviana RAKOTONDRAZAKA Antenaina Bryand sy Hamy
sy ny fianakaviana manontolo
dia mampandre antsika ny fodiamandrin' ny vadiny, ny rainy
RAKOTONDRAZAKA Franck
ny sabotsy 5 Janoary 2019 tao Mandrosoa Ambohijatovo Antananarivo
Ny famangiantsika FPMA Bordeaux dia ho tontosaina rehefa tafaverina avy any an-tanindrazana ny fianakaviana.
Aoka isika samy hitondra am-bavaka ny havantsika nidonam-pahoriana.
Ny fianakaviana RANDRIAMANANTENA RASAMOELA Antsa sy Voahary dia mampandre antsika fa nodimandry tany Madagasikara ny sabotsy 22 desambra 2018 ny reniny :
RASAMOELA Jeannick Gladys Verohanitra
Ny razana dia efa voalevina ny alatsinainy 24 desambra 2018.
Ny famangian'ny Fiangonana dia ho tanterahana rehefa tafaverina avy any an-tanindrazana ny fianakaviana.
Aoka isika hitondra am-bavaka hatrany ny fianakaviana tra-pahoriana.
"Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahana aho". 2 Tim 4 : 7
Amin'ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no hampandrenesanay anareo ny fodiamandrin’ny malalanay :
RALAISON Jean Andriakoto
tamin'ny alarobia 28 novambra 2018.
Hoy ny zanany:
- Jean Michel Nirina Ralaison sy ny zanaka aman-jafiny
- Valérie Ralaison sy Hervé Razafintsalama sy ny zanany
- Sahondra Ralaison
- ny fianakaviana manontolo
Toy izao no fandaharam-potoana :
Hisy fotoam-pivavahana ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra sy fampaherezana ny fianakaviana ao amin'ny Pompes Funèbres, 110 Rue Jean Jaurès, 33600 Pessac (eo akaikin'ny Centre Leclerc) :
- talata 4 desambra manomboka amin'ny 7 ora alina ;
- alarobia 5 desambra amin'ny 12 ora atoandro ka hatramin'ny 4 ora hariva mialoha ny fametrahana ny nofo mangatsiaka ao anaty vata.
Ny alakamisy 6 desambra amin'ny 9 ora maraina dia hisy fotoam-pivavahana alohan’ny famadihana ny vatana ho lavenona (culte et incinération) ao amin'ny Crematorium de Mérignac.
Ny famangiantsika fiangonana dia ho tanterahina ny talata 4 desambra 2018 amin'ny 8 ora alina ao amin'ny Pompes Funèbres 110 Rue Jean Jaurès - Pessac.
Aoka isika hitondra am-bavaka ny fianakaviana rehetra
Taratasy fisaorana:
Ramatoa ARISON Nirina Lala sy ny zanany : RAMAKARISON Henitsoa Tabita, RAMAKARISON Mika Amy, ny fianakaviana manontolo, ny Fikambanana sy ny Sampana eto amin’ny FJKM Ambohimandroso Alfa sy Omega, dia maneho fisaorana anareo tamin’ny fidodododoanareo, nanampy, nampionona sy nampahery anay tamin’ny namoizanay ny malalanay
RAMAKASON ANDRIANANTENAINA Rolland
Tsy mahavaly fitia toa zaza izahay fa Andriamanitra manankarem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo rehetra. Miala tsiny amin’ireo tsy tratra antso noho ny hafenoan-drano be loatra.
Ny fianakaviana RABETOKOTANY Tiana (Latiana) sy Philippe dia mampandre antsika ny namoizany ny rainy :
Ny Andriana RABETOKOTANY Laurent
tamin'ny alarobia faha 26 septambra 2018 tany an-tanindrazana
Ny famangiantsika FPMA Bordeaux dia ho tanterahana rehefa tafaverina avy any an-tanindrazana i Latiana, diakona amperin'asa eto amin'ny tafo.
Aoka isika hitondra ambavaka ny havantsika nidonam-pahoriana
"Mifampitondra izay mavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalan'i Kristy." Gal 6:2 Ry havana, Ny fianakaviana Arison Nirina Lala, Ramakarison Tabita, Ramakarison Mika dia mampandre antsika ny namoizany ny vadiny, ny rainy :
RAMAKASON Roland
ny asabotsy faha-22 septambra 2018 tany an-tanindrazana.
Mangataka antsika mba samy hahatsiaro am-bavaka ny fianakaviana rehetra.
Ny fianakaviana RAZAFINDRAMBAO Jeanne dia mampandre antsika ny namoizany ny iraitampo aminy
RAZAKABOANA ANDRIANARISON Simone tamin'ny talata faha-11 septambra 2018 tany an-tanindrazana.
Ny famangiantsika FPMA Bordeaux dia ho tanterahana rehefa tafaverina avy any an-tanindrazana ny fianakaviana.
Aoka isika hitondra ambavaka ny havantsika nidonam-pahoriana
Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no hampandrenesanay anareo fa RALALAOARISOA Georgette
dia niamboho ny Alarobia 8 aogositra 2018 alina teo amin'ny faha 63 taonany Hoy ny mpiraitampo aminy RALALANIRINA Perline
Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay, no ampandrenesana antsika fa
Mme VERIN Hugette
Consul de Madagascar – Bordeaux
dia nantsoin’ny Ray hody any Aminy ny Sabotsy 18 aogositra 2018 alina.
Ny fandaminana rehetra dia ho lazaina manaraka etoana
Mangataka antsika mba samy hahatsiaro am-bavaka ny fiankaviana rehetra
Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho,
2 Timoty 4:7
Amin’ny finoana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesana antsika fa nantsoin’ny Ray Hody any aminy ny Alarobia 18 Jolay 2018 rehefa nivahiny 84 taona teto an-tany, ny mpanompony :
RABETALIANA Andrianjohary René (Loholona)
Izay ray niteraka an’I Rtoa Lalaina Ramarotafika, Filohan’ny Antoko Mpihira FPMA ( AMF), Mpandray fanasan’ny Tompo ao amin’ny Fpma-Paris
Ny fianakaviana CHEVALIER, ny fianakaviana Rabetokotany (Elisabeth (fantatra amin'ny anarana hoe Babeth), ary ny fianakaviana MONTIGAUD, dia mampandre antsika ny namoizany ny reniny, ny renibeny : Monique CHEVALIER tamin'ny alarobia 9 mey 2018 . Ny fandevenana dia efa vita ny zoma 11 mey 2018. Isika fiangonana dia hanatanteraka ny famangiana hampaherezana azy ireo ny Alarobia 23 mey any an-trano amin'ny 7 ora hariva any : Le clos de Thouars 10 rue Goya 33140 Villenave d'Ornon Aoka isika samy hahatsiaro sy hitondra am-bavaka ny fianakaviana mana-manjo rehetra.
Rtoa Ranaivojaona - Ratsirahonana Olga sy ny zanaka aman-jafiny dia mampandre antsika fa nodimandry ny vadiny, ny rainy, ny raibeny :
Ranaivojaona Seth
ny sabotsy 21 aprily 2018 lasa teo teto Bordeaux.
Ny famadihana ny razana ho lavenona dia natao ao amin'ny Crématorium de Mérignac ny alarobia 25 aprily 2018 amin'ny 2 ora.
Ny famangiantsika FPMA Bordeaux dia efa notanterahina ny sabotsy faha-5 mey 2018, omaly tany an-tokatranon'i Rtoa RATSIRAHONANA Lisy any Cenon. Manasa antsika hitondra mbavaka hatrany ny fianakaviana rehetra.
Ny fianakaviana CUJA Josephine, Christian, Lalou dia mampandre antsika ny fodiamandrin'ny reniny CUJA Charline.
Misy fiaretan-tory rahariva amin'ny 19h30 izay hanentanana antsika mpiara-mivavaka :
Pompes Funèbres
8 rue François Legallais
BORDEAUX (tramway A, Arrêt François Mitterand) Ry havana,
Ny fianakaviana RAVELOJAONA Ndriamparany Benjamin sy Voahangy dia mampandre antsika ny namoizany ny iray tam-po aminy :
RAVELOMENJANAHARY RAKOTOMANGA Bodosolomalala
tamin'ny zoma faha-13 aprily 2018 tany an-tanindrazana.
Ny famangiantsika FPMA Bordeaux dia ho tanterahina rehefa tafaverina avy any an-tanindrazana ny fianakaviana .
Aoka isika hitondra am-bavaka ny havantsika nidonam-pahoriana.
Ny Komitin'ny Tafo

“… Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo...” (Apokalypsy 14:13)
Ry Havana,
Izany no tenin’Andriamanitra ampandrenesana antsika FPMA Bordeaux, amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty, ny fodiamandrin’ny mpanompony :
Pasteur Randranto RAKOTOARIMANANA
anio zoma faha 16 martsa 2018.
Misaotra anareo rehetra amin’ny fampaherezana maro efa nataonareo ary mino isika fa ao amin'nyTompo i Pasteur ary miombom-bavaka koa isika mahatsiaro an’i Ramatoa Landy vadiny sy Andréas zanany, Ramatoa Felicité reniny sy ny fianakaviana manontolo ary isika tompon'andraikitra sy vahoakan'Andriamanitra eto amin'ny tafo FPMA Bordeaux.
Hambara miandalana ny fandaminana rehetra,
“Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin’I Jesosy hiaraka aminy”(I Tes.4:14).
Ny fiadanan'ny Tompo anie hitahiry antsika hatrany.
Ny Komitin'ny Tafo
Ry havana,
Ny fianakaviana RAMBELOMANANA Prosper mianadahy avy dia mampandre antsika ny namoizan'izy ireo ny reniny
Ny Andriambavy RADEMANANJARA Alice Victoire
ny talata 6 febroary 2018 tany Madagasikara.
Ny famangiantsika FPMA Bordeaux dia hotanterahana ny alahady faha-18 martsa 2018 aorian'ny fotoam-pivavahana.
Aoka isika samy hitondra ambavaka ny fianakaviana rehetra.
Ny fianakaviana RAZAKAMAITSO Jacques sy Christiane dia mampandre antsika fa namoy ny iray tampo amin'izy ireo RAZAFIMAITSO René ny alatsinainy 29 janoary 2018 tany Madagasikara.
Ny fandevenana dia efa natao ny zoma 2 febroary 2018.
Ny famangiantsika FPMA Bordeaux dia atao ny alahady 11 febroary 2018 izao aorian'ny fotoam-pivavahana.
Aoka isika hitondra ambavaka ny fianakaviana.
Ny fianakaviana Randrianajaina Chantal dia mampandre fa ny rainy Randrianajaina Jean Jacques dia nodimandry tany Madagasikara tamin'ny Alarobia 31 janoary 2018.
Ny fandevenana dia efa notanterahina tamin'ny sabotsy 03 febroary 2018 .
Ny famangian'ny FPMA Bordeaux dia atao ao aorian'ny fotoam-pivavahana amin'ny alahady 11 febroary 2018 ho avy izao.
Aoka isika hitrotro ambavaka ny fianakaviana mana-manjo. Ry havana,
Ny havantsika RAKOTOMANIRAKA Tahina sy Tiana dia namoy ny iray tampo amin'izy ireo any Madagasikara.
Indro ampitaina amintsika ny fampandrenesana.
Ny famangian'ny FPMA Bordeaux dia atao rehefa tafaverina avy any antanindrazana ny fianakaviana.
Aoka isika hitondra ambavaka ny fianakaviana rehetra 
« Sambatra izay maty dia izay maty ao amin’ny Tompo »
Apok 14:13
Amin’ny finoana ny fitsanganan’ny tenan’ny maty no ampandrenesan'ny fianakaviana FASINA John sy Maherizo antsika ny namoizan'izy ireo ny rainy
RAKOTONDRAVELO DAVID
ny sabotsy 13 Janoary 2018 tany Madagasikara.
Ny fandevenana dia efa natao ny Alarobia 17 janoary 2018 ary ny famangiantsika FPMA Bordeaux dia atao aorian'ny fotoam-pivavahana ny Alahady faha-4 febroary 2018.
Aoka isika hitondra ambavaka ny fianakaviana.
![]()
|