Fandraisana


HAFATRA PASTORALY

Mitoria ny Filazantsara (Marka 16,15)

Misaotra an’Andriamanitra izahay fa voafidy ho Mpitandrina eto amin’ny FPMA Bordeaux. Ary dia faly miarahaba anareo vahoakan’Andriamanitra eto amin’ny Tafo satria nahazo mpiara-miasa vaovao ianareo hitory ny Filazantsara miaraka aminareo. Tafara-dia isika araka izany noho ny asa fitoriana an’i Kristy. Ho fampiharana ny baikon’i Tompo amintsika eto dia misy fanafohezan-teny raisiko ity mba hotsarovantsika mandrakariva amin’izany: FITIA (FIlazantsara TIAna).

Fa inona moa ny Filazantsara ? Ambara ihany koa hoe Teny soa mahafaly izy ity (Lioka 2,10). Andriamanitra manaiky hihavana amin’ny olombelona rehetra amin’ny alàlan’ny Jesoa Kristy Zanany no votoatin’ny Filazantsara. Mila mihavana amin’Andriamanitra ny olombelona rehetra satria tafasaraka taminy noho ny fahotana izy ireo (Isaia 59,2 / 1 Jaona 1,10). Zava-doza ny fahotana satria mahatonga fahafatesana (Jaona 8,21 / Romana 6,23a), no sady manakana ny fahatongavan’ny soa ho an’ny tena ihany koa (Jeremia 5,25). Jesoa Kristy àry no Filazantsara ho an’ny olombelona rehetra mba ho velona tokoa izy ireo (Jaona 3,16 / Romana 6,23b). Ny fahafatesan’i Tompo no marika fa nalevina niaraka taminy ny fahotan’izay mino Azy (Romana 6,6-8 / Kolosiana 2,12). Ary ny fitsanganany ho velona no toky ho an’ny mino fa tonga olom-baovao izy noho ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra nanangana azy (Romana 8,11), ka tsy manan-kery aminy intsony ny herin’ny fahafatesana (1 Korintiana 15,55 / Hosea 13,14).

Hery manova ny mino ho tonga zanak’Andriamanitra ny Filazantsara (Jaona 1,12 / Romana 1,16), no sady hery tsy mamela azy hitomoe-poana ihany koa fa mampanatona azy kosa amin’ny mpiara-belona aminy (Jaona 4,29 / 1 Korintiana 9,16). Havaozin’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy ny mino sy ny Fiangonana ka manjary mihavao izy ireo ary misy fiantraikany eo amin’ny manodidina azy izany (Eglise missionnelle). Fa ny Fiangonana tsy mitory ny Filazantsara tokoa mantsy dia matory (une Eglise qui n’est pas missionnaire est démissionnaire). Aza hadinoina àry ny vinan’ny Synoda Lehibe natao teto amintsika farany teo manao hoe : « Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana » (Matio 10,8).

Amin’ny fomba ahoana no fitory ny Filazantsara ? Efa hitantsika teo aloha teo ihany ny valiny, toy ny firotsahana an-tsehatra avy hatrany sy ny fiovam-po ary ny fijoroana vavolombelona amin’ny teny sy ny asa. Ny fanampiny arosoko mba hisian’ny fahombiazana amin’izany asa izany kosa dia ny « fitiavana ». Tiantsika tokoa ve ny Filazantsara ? Inona no nentiny teo amin’ny fiainantsika ? Tonga amin’ny hirantsika hoe « fanavaozana izay mahagaga tokoa, nomen’i Jesoa ahy re… hatramin’izao dia endrey, ny fitepon’ny foko izay ravo tokoa onenan’ny Tompo Jesoa » (FFPM 487). Mahafaly sy mahatery antsika ny fizarana vaovao mahasoa. Fa raha ao amintsika ihany koa ny fitiavana ny hafa mba tsy ho fatin’ny fahotany izy dia tena adidintsika ny manambara ny Filazantsara amin’izy ireo (Romana 9,1-3). Raha nihen-danja na natoritory ny fitiavanao ny Filazantsara dia andeha fohazintsika indray ankehitriny. Mety ho sondrian’ny fahazarana sy ny fombam-pivavahana ihany mantsy izany (religiosité) ka tokony hiambina tsara ny Fiangonana (Apokalipsy 3,2).

Tsipy teny eto am-pamaranana, « araraoty ny andro azo anaovan-tsoa, koa raha hilaza zavatra ihany isika dia aoka mba ho filazantsara ! »

Mpitandrina, RAMAHERIJAONA Jean Teddy


KRISMASY 2018 :


KRISMASY SAMBATRA SY TAOM-BAOVAO FENO FITAHIANA


Tsaroako tamin’ny mbola kely ny fifaliana tsy omby tratra noho ny andro krismasy. Fifaliana ateraky ny fanomezana samihafa voaray na kely na lehibe na tiana na tsy tiana fa dia faly indrindra mandray izay nomena. Taty  aoriana dia lasa fahazarana hatrany ny fanomezana fa lasa zava-dehibe kosa ny fihaonan’ny mpianakavy sy ny havana aman-tsakaiza ary dia lasa tombony ny mandray fanomezana.

Ho an’ny frantsay dia ny sasak’alina sy ny andro krismasy no hiarahan’ny zanaka mamonjy ny ray aman-dreny amin’izay misy azy. Fifaliana tsy misy ohatr’izany ho an’ireo zoky be ray aman-dreny vangian’ireo menaky ny ainy ary tsy misy fanomezana lehibe ho azy ireo noho ny fahitany an’ireo zanany sy ny taranany. Lasa fety tokoa ny andro krismasy na ho an’ny lehibe na ho an’ny kely.

Ho an’ny kristiana malagasy aty an-dafy, toy ny fomba amam-panao any an-tanindrazana dia ny fandehanana mamonjy sasak’alina sy fanompoam-pivavahana andro krismasy no imasoana. Ary matetika ny andro krismasy no feno dia feno sy be mpiangona indrindra ireo fiangonana malagasy eto Frantsa. Ny andro krismasy no hahatsiarovantsika ny nahatongavan’Andriamanitra ho nofo ao amin’i Kristy Jesoa ilay zaza vao teraka araka ny voasoratra hoe : « Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo. » (Lioka 2:10-11). Fifaliam-be ho an’ny zanak’Israely tamin’izany ny fahaterahan’ilay Mesia Mpamonjy ny fireneny. Fa ho an’ny Fiangonana Kristiana kosa dia “ fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra”.

Tamin’ny fotoana niza-draharaha (stage) pastoraly, taona faha-3 tao amin’ny Faculté de Théologie koa, rehefa tonga ny fotoana manodidina ny krismasy dia nizara sakafo mafana tamin’ireo mahantra, namangy ireo marary sy ireo zoky olona manirery, mivavaka ho an’ny fandriampahalemena, sy asa maro fampihavanana sy fanehoana fitiavana. Izany no natao ho an’ny mpino na tsy mpino.

Izany tokoa ry havana ny Fotoan-Krismasy, fotoam-pifaliana, fotoam-pitsaharana amin’izay adiady, fotoana fifamelana, fotoam-pihavanana, fotoam-pirahalahiana, fotoana fanehoam-pitiavana. Tsarovy fa ny fahaterahantsika kristiana tsirairay ihany koa ho-zanak’Andriamanitra no ankalazaintsika amin’ny Noely, izay entanin’ny Fanahin’Andriamanitra mizara ny vokatry ny fanahy, izay tsy inona fa  : Fitiavana, Fifaliana, Fiadanana, ... (Galatiana 5:22).

Koa mirary raha mirary Krismasy Sambatra sy Taom-baovao feno fitahiana ho antsika rehetra omban’ny Fitiavana sy Fifaliana ary ny Fiadanan’Andriamanitra ka ho tanteraka tokoa anie ny feon’ilay anjely manao hoe :


« Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany » (Lioka 2:14)


Pst Falimanana RAHARINDRANTO


PENTEKOSTA 2018 :





PASKA 2018 :


Ry Fiangonana havana,


Jesoa, toy ny zanak’Israely rehetra, nanao ny fahatsiarovana ny Paska ; ary teo ampanaovana ny fahatsiarovana ny nanafahana, ny nanavotana, ny namonjena ny zanak’Israely no niainan’i Jesoa ny Paskany. Novonoin’ny olona ho faty Jesoa ary natsangan’Andriamanitra Ray, noesoriny tao amin’ny fahafatesana ary nampidiriny ao amin’ny fiainana fahavelomana mandrakizay. Nandalo Paska Jesoa ; ary Jesoa no zanak’ondry novonoina ho Paska ho an’ny olona rehetra.


Jesoa no hany olombelona tokana, nankato sy nanaiky nanatanteraka ny sitrapon’Adriamanitra, nanaiky nohosorana anao asa manokana, nanaiky natao Mesia, nanaiky natao Kristy, nanaiky natao sorona indray mandeha tsy miverina anafaka ny olona mino rehetra ao amin’ny fahafatesana araka ny vaovao mahafaly ao amin’ny taratasy voalohany avy amin’i Paoly ho an’ny kristianina tany Kôrinto 5/7 hoe : « eny voavono i Kristy ilay Zanakondrin’ny Paska ho antsika »


Izany fiainan’i Jesoa izany dia mitsilo, manazava ny diantsika isaky ny mahatsiaro ny Paska an’ny Kristy Jesoa isika. Finoana irery ihany no ahatakarantsika sy anehoantsika izany. Isika mpiray tampo amin’ny Kristy Jesoa dia afaka, noafahana tao amin’ny fahafatesana ary nampidirina ao amin’ny fiainana fahaveloma mandrakizay noho ny nataon’ny Kristy, Kristy Paska antsika.


Koa amin’izao Paska 2018 izao sy amin’ny andro ho avy satria Kristy tsy nanana ota nefa natao ota, tsy nanana fisarahana tamin’Andriamanitra nefa natao nisaraka tamin’Andriamanitra, Kristy nandresy ny ota, Kristy ao amin’Andriamanitra mandrakizay, dia mpandresy isika.


Noho Kristy Paska antsika, isika kristianina, dia tsy manana fahafatesana intsony na mbola hiverina ho vovoka aza ; koa asaina mizara fiainana be dia be.


Noho Kristy Paska antsika, isika kristianina, dia tsy misaraka intsony amin’Andriamanitra nefa mbola misy fahavalo izay mampisaraka antsika sy mampiady antsika hifampiampanga ; koa asaina miambina andro aman’alina


Noho Kristy Paska antsika, isika kristianina dia tsy manana ota intsony fa manana fahotana, tsy manota intsony fa mpanota ; araka ny taratasy avy amin’i Paoly ho an’ny kristianina tany Rôma 6/4 mitory hoe : ny tenantsika dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'ny Kristy Jesoa ; koa asaina mifaly mandrakariva.


Noho Kristy Paska antsika dia nampatanjahana isika azahoantsika mampatanjaka, nampaherezina isika azahoantsika mampahery, noraisina isika azahoantsika mandray ny hafa ; koa tsy misy mahasakana antsika hitambatra ho vatana iray izay misampana maro, tsy misy mahasakana antsika hiombona ho olo-masina ; koa afaka hatrany isika miaradia sy mifankatia eto amin’ny fiangonantsika ko aaraka ny taratasy ho an’ny kristianina Hebreo mitaona hoe « aoka isika hisaina araka ny tsirairay avy mandrapahatongantsika ho ao amin’ny faratampon’ny faharanitan’ny fitiavana sy ireo asa tsara »


Noho Kristy Paska antsika, na dia mandalo aretina amin’ny endrika maro samihafa, mandalo tsy fananana sy tsy fahampiana amin’ny zavatra hita sy tsy hita maso aza isika dia fahasovana fa tsy irery isika fa miady, mitolona ho antsika Andriamanitra ary « amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tiantsika », amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika.





SEPTAMBRA 2017 :


Ry Fiangonana havana,



Tonga ny volana fidirana septambra 2017 ary mitaona antsika, manosika antsika, mitarika antsika, iaina ny firahalahiana. Isika tsirairay avy dia miaky hoe : « izaho mino ny fiangonana masina, ny fiombonan’ny olona masina » koa noho izany dia mikolokolo ny iaina ny firahalahiana.


Mpirahalahy, mpirahavavy, mpianadahy, eny mpiaradia isika rehetra eto amin’ny Fpma Bordeaux. Betsaka ireo sehatra iainantsika fiangonana izany ; amin’ny zavatra tsy hita maso toy ny mifampivavaka, mifampitsodrano, mifampahery, amin’ny zavatra hita maso toy mifamangy, mifanome tanana, miara-mientana.


Miaina ny firahalahiana isika. Ho avy ny hetsiky ny Sekoly Alahady, ny sakafom-piangonana, ny hetsiky ny Fifohazana iainantsika izany. Eo koa ny miaraka amin’ny tafo Fpma rehetra izay hisongadina amin’ny Zaikabe. Eo koa ny miaraka amin’ny protestanta rehetra izay miharihary amin’ny fankalazana ny faha 500 taonan’ny fanitsim-pivavahana.


Tsy afaka miaina irery isika, indrindra moa isika fiangonana manao asa misiona izay mifanerasera amin’izao tontolo izao, koa mampahery antsika rehetra hiray saina amin’ny zavatra efatra ny apostoly Petera ao amin’ny epistiliny voalohany tokoa faha 3, andininy faha 8 nanoratra hoe : « Farany, miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena »


Tsy toy ny efa vita izany na ho avy fa iainana andavanadro. Fanamby izany ; ary ho an’ny fiombonan’ny olona masina, ho an’ny fiangonana masina, ho an’ny fiangonana tany Kolosy ao amin’ny epistiliny toka faha 3 adininy faha 14 dia nanoratra ny apostoly Paoly, miangavy hoe : « Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany »


Ny apostoly Petera mamporisika antsika ny ifankatia, mifankatia misy takalony, phileô ; eny mifamaly fitia izay ambaran’ny malagasy hoe « fitia mifamaly mahatsara ny fihavanana », mifampitrosa fitia hoy ny fitenin’ny mpivavaka kristiana, « miaina ny firahalahiana » hoy fitenin’ny protestanta saingy miangavy antsika ny apotsoly Paoly hanandratra, hanambony ny fitiavana tsy misy tambiny, ny fitiavana maimaimpoana, ny agapé.


Isan’andro dia tsaroantsika ary iainantsika fa ny Kristy Jesoa Tompo dia manome antsika maimaimpoana, raisintsika amin’ny finoana ary amin’ny finoana ihany dia afindrantsika ho an’ny hafa araka ny lazain’ny malagasy hoe « fitia , ketsa , ka izay amindrana azy, aniriany » saingy tsy isika irery fotsiny no manao izany asa izany fa Andriamanitra Raintsika miasa ho antsika azahaontsika, tsy antery, fa an-kalalahana, an-tsitrapo, miaina ny firahalahiana.





 
 

Aza hadinoina

Ny fanompoam-pivavahana :

Alahady amin'ny 3 ora sy sasany hariva

Temple du Hâ - 32 rue du Cdt Arnould - 33000 Bordeaux


Perikopa :

Asa 4.8-12

1 Jaona 3.1-2

Jaona 10.11-18



Vaovao samihafa

Ankasoavana
Ankaratsiana

Ny fotoana manaraka ...



talata 16 aprily :
20h : CDF (confcall)


alarobia 17 aprily :
20h : Dpt Fampianarana (concall)


alakamisy 18 aprily :
19h : AM - famerenan-kira (s. Calvin)


sabotsy 20 aprily :
Tily - lasy tselatra (Antagnac)
10h : SVK - famerenan-kira (tokantrano)
10h : STK - fivoriana (s. Calvin)
16h : AM - famerenan-kira (s. Calvin)


alahady 21 aprily :
Tily - lasy tselatra (Antagnac)
15h30 : Fanompoam-pivavahana
Fanasan'ny Tompo