Fandraisana An-Tselika


Alahady 16 martsa 2025 : Alahadin'ny V3M FATSAN

« Toa izany koa no nandidian’ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin’ny filazantsara. » IKor. 9, 14

 

Ho ampitombona amintsika anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo.

 

Araka ny efa fantatsika, dia ny alahady fahatelon’ny volana martsa, alahady 16 martsa 2025 no hanatanterahantsika ny alahadin’ny V3M FATSAN ; andro hatokantsika hitondrana am-bavaka sy hanohanana ny tetikasa mpitandrina matihanina eto amin’ny faritany atsimo andrefana, ary anisan’izany ny famelomana ny Mpitandrina Nalason RAOELIMANANA.

Noho izany dia hisy valopy hozaraina amintsika, ary ho tatazana ao anatin’ny rakitra iray amin’izany fotoana izany.  Manentana antsika mpianakavin’ny finoana, hanome araka izay inian’ny fontsika avy amin’ny fifaliana ; ka manaiky am-pitiavana ny ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanoloran-tenantsika sy ny fanohanana izany tetikasa ho an’ny fiangonaNy izany.

 

Amin’ny anaran’ny V3M FATSAN  sy ny Birao FATSAN :

Past Elysée ANDRIAMIANDRA, Tale V3M FATSAN

Past Charles RAKOTONDRAMANA, Mpitandrina Mpandrindra FATSAN

Ny Katekista Nadia DELMOTTE, Filoha



Sabotsy 22 martsa 2025 : Fanasana avy amin'ny Tafo FPMA Clermont-Ferrand 

Ho an’ny Filoha Synodaly FPMA, Dr Rev Pasteur Seth RASOLONDRAIBE mivady

Ho an’ny Birao Foibe

Ho an’ny vahoakan’andriamanitra eto anivon’ny FPMA

 

Ry havana,

 

« Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra. » Hebreo 3 :4

 

Ho ampitomboina amintsika anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo lohan’ny Fiangonana.

 

Isaorana sy deraina ny Tompo fa noho ny fitahiaNY dia feno 20 taona ny fitandremana FPMA Clermont-Ferrand. Ho famaranana ny fankalazàna an’izany 20 taona izany dia manasa am-pifaliana sy am-pitiavana anareo rehetra tsy an-kanavaka izahay hanatrika ny lanonana (dîner concert) izay karakarainay miaraka amin’ny Groupe Hosana Europe, ny sabotsy 22 martsa 2025, @19h00, ao amin’ny Salle Astragale – 63800 Cournon d’Auvergne.

Ny fanompoam-pivavahana fankalazàna sy fisaorana an’Andriamanitra, ny alahady 23 martsa 2025, @ 14h30, ao amin’ny Eglise Sainte-Bernadette,  2 rue Parlette – 63000 Clermont-Ferrand.

Apetraka amin’ny Tompo ny fanatanterahana ny asa rehetra ary ny Fanahy Masina hialoha lalana hatrany.

Nalason Raoelimanana - Mpitandrina

S.Andriantsileferintsoa  - Filoha







Sabotsy 27 janoary 2024 : Fisindan'ny Tompon'Andraikitra 

Miarahaba anao tompon'andraikitra eto @ Tafo.

Faly manasa anao hanatrika ny fiofanan'ny Tompon'andraikitra eto @ Tafo izay ho tanterahana ny tontoloandron'ny:
-sabotsy 27 janoary 2024
-manomboka @ 9 ora maraina
-Salle 1 - Hâ 32

Izany fiofanana izany dia hiarahana amin'ny vady.

Eny an-toerana izany isika no hiara-hisakafo koa mangataka anao hanomana sy hitondra:

-fitaovana hihinanan-kanina
-ody am-bavafo maraina, mamy raha azo hatao
-ody am-bavafo tolankandro, masira raha azo hatao
-rano fisotro sahaza
-ny laoka sy ny vary dia ny fiangonana no hikarakara izany eny an-toerana.

Mba ho fanomanana @ fatran' ny sakafo dia angatahana isika hisoratra anarana ary hametraka ny isantsika @ rohy eto, mialoha ny alakamisy (veuillez vous inscrire avant le jeudi 25 janvier pour que l'on puisse préparer la quantité du laoka):


Manantena ny fihaonantsika tsy ho ela ary dia mitondra am-bavaka izany fotoana izany.



Zoma 3, sabotsy 4 ary alahady 5 novambra 2023 : Zaikabe 2023



Sabotsy 26 sy alahady 27 marsa 2022 : Lasin'ny Fiangonana



Fanasana sy fandaharana amin'ny lasin'ny Fiangonana izay ho tanterahana ny Sabotsy 26 tontolo andro sy Alahady 27 martsa  2022.
Ny toerana dia eny @ Lycée Tivoli. Tsy misy ny fatoriana fa samy mody any an-tokantranony ny rehetra ny sabotsy hariva.
Ny sakafo sabotsy antoandro sy alahady antoandro dia ny Fiangonana no hiantoka izany eny an-toerana fa ny fisoratana anarana no ataontsika hahazoana manomana ny isa. Ny fetra fisoratana anarana dia amin'ny alahady izao koa angatahana ianao tsy hiandry ny fotoana farany fa hanao ny fisoratana anarana avy hatrany.
Afaka mitondra ranom-boankazo sy ody am-bava-fo (masira sy mamy) isika ho fifampizarana ny sabotsy tolakandro.



Alahady 27 jona 2021 : Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana




FOTOAM-PIVAVAHANA IRAISAM-PINOANA :





FANOMPOAM-PIVAVAHANA : isaky ny alahady - Temple du Hâ - 15 ora 30


"Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon'i Tompo"
Salamo 122: 1

Araka ny vaovao efa nampitaina taminao dia indro ny rohy hahazoana misoratra anarana amin'ny fanatrehana ny fanompoam-pivavahana mandritra ireo alahady telo hifanesy: 


Hisy hatrany ny Fanasan'i Tompo isaky ny alahady.

Aza adinoina ny mitondra masque sy stylo.

Mba ho fitsinjovantsika ny fahasalaman'ny mpitam-bola dia toy izao no fanomanana ireo rakitra sy adidy.

Mikasika ny rakitra nandritra ny confinement :

-iangaviana isika mba hanomana ireo ao anaty valopy mihidy, soraty eo ivelany ny sandam-bola na cheque ao anatiny; azonao atao ny manisy ny anaranao raha sitrakao izany.

Mikasika ny adidy :

-iangaviana isika mba hanao izany anaty valopy, lela-vola na chèque, hanoratra ny anarana sy volana mikasika ny adidy eo amin'ny valopy.

Tsarovy fa mitohy ny fandefasana mivantana amin'ny Youtube FPMA Bordeaux ho antsika tsy ho tonga eny am-piangonana.

Manonona ny Fiadanan'i Tompo ho aminao.

Ny Komitin'ny Tafo.

FANDALINANA LOHAHEVITRA : zoma 24 janoary 2020














ZAIKABE NASIONALY :


Toerana : Sainte Tulle (04220)

Saran-dasy :

Mba hanamora ny fitadiavana ny fitaterana dia hakatona amin'ny alahady 29 septambra ny fisoratana anarana.














 
 

Aza hadinoina

Ny fanompoam-pivavahana :

Isaky ny alahady amin'ny 3 ora sy sasany tolakandro

Temple du Hâ - 32 rue du Cdt Arnould - 33000 Bordeaux


Perikopa :

Isaia 66.10-14

Galatiana 6.14-18

Lioka 10.1-20



Vaovao samihafa

Ankasoavana
Ankaratsiana

Ny fotoana manaraka ...

Vaovao mandritra ny herinandro :

TSINDRIO ETO