
BIRAO 2024 - 2025 :
Filoha :
| RAKOTONDRAZAKA Bryand |
Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.
| 
| Filoha mpanampy :
| DELMOTTE Patrick
|
| Mpitan-tsoratra :
| RALANTOMANANA Zoniaina |
| Mpitantana vola :
| RANDRIANARIVELO Prince |
| Mpanolotsaina :
| RAVELOHARINJAKA Mamy
| FRANCOMME Gérard
|
Sabotsy 30 novambra 2024 : Levée de fonds

Sabotsy 4 may 2024 : Fiofanan'ny mpivady sy mpifankatia

LUNDI de PENTECOTE : Alatsinainy 29 mey 2023

HARENDRINA : Sabotsy 25 jona 2022

ZAIKABE SVKI/SLKI FATSAN :

« Ny Lehilahy sy Vehivavy Kristianina miara-mihetsika mibanjina ny ho avy » (2 Korintiana 4 : 7 )
Ry havana,
Ampitomboina aminareo lalandava anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy lohan’ny Fiangonana.
Fifaliana lehibe ho anay Sampana Vehivavy Kristianina sy Sampana Lehilahy Kristianina FPMA, ny mampandre sy manasa anareo vahoakan'Andriamanitra, hanatrika ny Zaikabe 2022 izay ho karakaraina sy ho tanterahina eo anivon’ny Faritany Atsimo Andrefana ny 22-23 oktobra 2022. Ny toerana dia ao amin’ny LES CYCLADES –LA GRANDE MOTTE (Montpellier).
Ny lohahevitra hiorenan'ny fampianarana mandritra izany fotoan-dehibe izany dia araka ny andinin-tsoratra Masina noraisina tao amin’ny Genesisy 2 :
“ Ny toeran’ny olombelona eo amin’ny fikajiana ny zavaboary”
Mitsinjara toy izao ny saran-dasy :
- Vendredi soir/ Samedi / Dimanche : 150 € (lehibe) – 110 € (ankizy 5-11 taona)
- Samedi / Dimanche : 100 € (lehibe) – 73€ (ankizy 5-11 taona)
- Ankizy latsakin’ny 5 taona : Tsy mandoha
Fara-fisoratana anarana dia 27 jona 2022.
Mametraka veloma finaritra sy manonona ny fiadanan’ny Tompo ao aminareo.
Alahady 9 febroary 2020 :
Tanteraka soa amantsara omaly ny Agape fihaonan'ny sampana SLK izay natomboka tamin'ny fampianaran'ny Mpitandrina ary narahana famerenankira sy fisakafoana.
Ny fandaharam-potoana manaraka dia ny fanampiana ny fifindran-tranon'i Ramatoa Landy sy Andreas amin'ny sabotsy 15 febroary izao manomboka amin'ny 9h ary hanentanana sandry maro avy amintsika.
Hisy fivoriana famerenankira ny alahady 23 febroary amin'ny 2ora eto ampiangonana.
Alahady 2 febroary 2020 : Fihaonana Agape isan-keritaony amin'ny sabotsy 8 febroary izao any an-tokatranon'i Mampionona sy Anne Marie FRANCINE any Cadaujac, manomboka amin'ny 6ora hariva.
Ny antsipirihiny dia afaka hanontaniana an'i Aina Rakotoarison |