Birao 2024-2025 :
Filoham-boninahitra :
| RAMAHERIJAONA Heliravaka
|
| 
| Filoha :
| RALANTOMANANA Mbola |
Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.
| Filoha mpanampy :
| RAKOTOMALALA Fara |
| Mpitam-bola :
| ANDRIAMANANA Salohy |
| Mpitan-tsoratra :
| RAKOTOARIZAFY Mialy |
|
Sabotsy 15 martsa 2025 :
Le prochain atelier de la SVK se fera le samedi 15 mars prochain. Le thème sera
« La Prévention et dépistage du cancer du sein par l’auto palpation »
Il sera animé par Dr Josiane RAKOTOARIMANANA et par Christelle RAKOTOARIMANANA , présidente d’honneur de l’association Jeune et Rose. Nous invitons ainsi massivement les jeunes et les femmes adultes à assister à cet atelier qui se déroulera à Floirac, chez Josiane et Dominique.
Sabotsy 1 martsa 2025 : Opération "Lasopy" 
Raha hi-commande ianao : TSINDRIO ETO
Sabotsy 12 aprily 2025 : Zaikabe FATSAN
“ Iza no mahita vehivavy tsara … matoky azy ny fon’ny lahy” Oha. 31, 10a - 11a
Hanatanteraka ny Zaikabe eto anivon’ny FATSAN ny SVK sy ny SLK, ny 12 sy ny 13 aprily 2025, izay atao eto Bordeaux. Ireo fampianarana sy fiofanana ary fifampizarana rehetra dia ho tanterahina ao amin’ny Hâ 32. Ny fatoriana sy ny fanompoam-pivavahana ny alahady 13 aprily kosa dia atao eny amin’ny Hotel IBIS Meriadeck.
Ny saran-dasy dia 110 eur.
Ho antsika eto Bordeaux kosa : - ny sakafo sabotsy atoandro dia 12 eur ;
- ny sakafo sabotsy hariva dia 12 eur ihany koa ;
- ary ny sakafo alahady atoandro izay ao amin’ny Hotel IBIS dia 28 eur.
Efa misokatra ny fisoratana anarana, ary mifarana ny 15 martsa 2025, koa faingàna ary.
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
Sabotsy 16 novambra 2024 : Atelier "Gateau" sy fandraisana ny mpianatra vaovao
Ny Sampana Vehivavy Kristiana eto amin’ny FPMA Bordeaux dia manasa antsika rehetra izay liana amin’ny atelier Gateaux izay atao ny sabotsy 16 novambra ho avy izao, ao an-tokantranon’i Mbola sy Zo RALANTOMANANA manomboka amin’ny 10 ora maraina
- Génoise sy Gateau mangahazo no hianarantsika amin’izany.
Iangaviana ianareo izay hanatrika izany hisoratra anarana any amin’ny birao SVK hitsinjarana ny fitaovana sy ny enti-manana hanaovana izany.
Ny Sampana Vehivavy Kristiana dia manentana antsika rehetra hifarimbona aminy, hitondra izay azontsika atolotra ho fandraisana ireo tanorantsika vao tonga handranto fianarana eto Bordeaux.
Ireto no zavatra azontsika omena : denrées alimentaires non périssables sy produits d’hygiène.
Azontsika omena ny biraon’ny sampana izany.
Misaotra mialoha sahady amin’ny fanolorantenantsika.
18-19-20 oktobra 2024 : Zaikabe SVKI - SLKI 



Sabotsy 25 mey 2024 : Takarivam-pifaliana 
Sabotsy 4 may 2024 : Fiofanan'ny mpivady sy mpifankatia

TAKARIVAM-PIFALIANA :

ZAIKABE SVKI/SLKI FATSAN : Toro-marika
Mampahatsiahy antsika izay handeha Zaikabe SVKI ny 22 -23 oktobra fa tokony haloa mialoha an’io daty io ny saran-dasy rehetra.
Toy izao ny fandaminana :
Handeha fiara isika ka ny fotoana dia amin’ny 4ora maraina eo amin’ny Géant Casino Villenave d’Ornon, ary miangavy antsika mba ho tonga ara-potoana.
ZAIKABE SVKI/SLKI FATSAN :
« Ny Lehilahy sy Vehivavy Kristianina miara-mihetsika mibanjina ny ho avy » (2 Korintiana 4 : 7 )
Ry havana,
Ampitomboina aminareo lalandava anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy lohan’ny Fiangonana.
Fifaliana lehibe ho anay Sampana Vehivavy Kristianina sy Sampana Lehilahy Kristianina FPMA, ny mampandre sy manasa anareo vahoakan'Andriamanitra, hanatrika ny Zaikabe 2022 izay ho karakaraina sy ho tanterahina eo anivon’ny Faritany Atsimo Andrefana ny 22-23 oktobra 2022. Ny toerana dia ao amin’ny LES CYCLADES –LA GRANDE MOTTE (Montpellier).
Ny lohahevitra hiorenan'ny fampianarana mandritra izany fotoan-dehibe izany dia araka ny andinin-tsoratra Masina noraisina tao amin’ny Genesisy 2 :
“ Ny toeran’ny olombelona eo amin’ny fikajiana ny zavaboary”
Mitsinjara toy izao ny saran-dasy :
- Vendredi soir/ Samedi / Dimanche : 150 € (lehibe) – 110 € (ankizy 5-11 taona)
- Samedi / Dimanche : 100 € (lehibe) – 73€ (ankizy 5-11 taona)
- Ankizy latsakin’ny 5 taona : Tsy mandoha
Fara-fisoratana anarana dia 27 jona 2022.
Mametraka veloma finaritra sy manonona ny fiadanan’ny Tompo ao aminareo.
Ny Sampana VEHIVAVY KRISTIANA dia hanatanteraka ATELIER 4 misesy atao any an-tokantrano :
- sabotsy 8 may 2021 : * fotoana : amin'ny 10 -12 ora maraina * atelier : Bien Être sy Sakafo ara-pahasalamana * toerana : tokatranon’ny mpitandrina mivady.
- sabotsy 22 may 2021 : atao amin'ny fotoana manaraka
* fotoana : amin'ny 10-12 ora maraina
* atelier : décoration
* toerana : tokantranon’i Tantely sy Haja Andrianomenjanahary
- sabotsy 29 may 2021 : * fotoana : amin'ny 2 ora sy sasany - 4 ora sy sasany tolakandro * atelier : smartphone * toerana : tokantranon’i Nicole sy Fidy Ramahefamanana
- sabotsy 5 jona 2021 : * fotoana : amin'ny 10-12 ora maraina * atelier : sakafo
* toerana : tokantranon’i Mbola sy Zo Ralantomanana.
Vehivavy 6 isaky ny atelier no hasainay hanatrika sy hifampizara amin’izany ka aoka hisoratra anarana mialoha : 
Raha mihoatra ny isa dia ho dinihina ny fomba sy toerana hanatanterahana azy.
Manonona ny fiadanan’ny Tompo
Alahady 24 janoary 2021 :

Alahady 2 aogositra 2020 :
1- Araka ny tapaky ny komity mpanomana ny ZAIKABE, dia hitohy hatramin’ny 23/08 ho avy izao ny faran’ny fisoratana anarana ho amin’izany.
Hiroso ho amin’ny drafitra B conférence téléphonique kosa anefa isika raha mbola mitohy aorian’ny 31 Août ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana tokony arahina.
Manentana sahady ireo teknisiana amin’izany hifanampy aminay.
2- Tahaka ny efa fanao isan-taona ao amin’ny tetik’asan’ny SVK Bordeaux dia hanangona indray isika denrées alimentaires sy fitaovam-pidiovana atolotra ireo zanantsika mpianatra tonga voalohany eto amin’ny Tafo Bordeaux.
Manentana antsika mpiara-mivavaka handray anjara amin’izany. Hozaraintsika manomboka ny volana septembre izany fanomezana izany.
15 eo ho eo ny colis natolontsika tamin’ny taona 2019 ary toy izay ihany koa ny taona 2018.
Manonona ny fiadanan’ny Tompo
Ny Sampana Vehivavy Kristiana
Alahady 9 febroary 2020 :
Vita soamantsara omaly Asabotsy 8 février maraina ny fiofanana nentin'ny Mpitandrina Jean Teddy nitondra ny lohahevitra hoe "Ny Vehivavy sy ny Fahanginana" noraisina tao amin'ny bokin'ny Fitomaniana
- Asabotsy 15 février
Ny maraina: hifanome tanana ho an'ny fifindramonin-dRtoa Landy sy Andreas isika.
Ny tolakandro manomboka amin'ny 2 ora sy sasany : atelier bien-être tapany faharoa arahin'ny famerenana ho an'ny Takariva sy ny Hanimpitoloha. Toerana Temple du Hâ
Manasa antsika Vehivavy rehetra eto amin'ny Tafo
Alahady 2 febroary 2020 :
Amin'ny sabotsy 8 febroary izao amin'ny 10 ora 30 no ho tanterahina ny fiofanana miaraka amin'ny Pst Teddy arahan'ny famerenana ny hetsika atao mandritra ny HNP sy ny takariva SVK. Toerana : 25 rue des Fleurs - 33530 Bassens, tokantranon'i Hary sy Mbola RAJAONARIVONY. Hasaina ho tonga maro, mifampilazà amin'ny rehetra.
|